KAIZEN MANERAN-TANY

Rotiky ny ady an-trano i Rwanda ka rava sy potika tamin’izany  ny maha olona, ny kolotsaina, ny toe-karena, sns…fantatsika ny tantara ; niarina sy nihezaka ny mpitondra sy ny vahoaka ao Rwanda ka isan’ireo sangany aty Afrika  ankehitriny ary sokajiana ho isan’ireo antsoina hoe  “Emmergeant”.
  • Fantatrao ve ny secret-n’ny fahombiazan’i Rwanda? Fampiharana ny Kaizen.

  • Saika isan-taona dia mandre sy mahita amin’ny fampahalalam-baovao iraisam-pirenena isika fa ny firenena Bangladesh sy Indonezia dia iharan’ireo loza voa-janahary mahery vaika toy ny todra-drano, tsunami, horohoron-tany, rivo-doza , sns…. Izay sady mamono olona maro no mamotika fotodrafitr’asa. Haingam-piharina ireo firenena ireo ary tsy sasatra ny mihoitra. Ankehitriny dia efa lasa lavitra ery alohantsika ery ireo firenena ireo, ary sokajiana hoe “emmergrants” ihany koa ao antin’ilay vondrona ASEAN  (Association of South-East Asian Nations).
  • Inona ny zava-miafin’ireo firenena ireo? Fampiharana ny Kaizen.

  • I Nosy Maurice dia kely sy bitika  tahaka ny tain’angofo raha ampitahaina amin’i Madagasikara, amin’ny lafiny rehetra; saingy efa tsy tazana tazanina lavitra be any alohantsika any no misy azy ankehitriny eo amin’ny sehatra toekarena sy teknolojia avo lenta.
  • Zava-miafin’ny fahomboiazany? Kaizen ihany koa.

  • Tsy ireo ihany akory fa maro dia maro ireo firenena tratra aoriana  toa antsika no efa mihazakazaka mankany amin’ny fampiharana ny atao hoe “Démarche Qualité et Amélioration continue” na Kaizen amin’ny sehatra rehetra mihitsy: indostria, varotra, asa tànana, fambolena, fahasalamana, asa birao, politikam-pampandrosoana, fampianarana, sns….


    Afrika : Afrika Atsimo, Kenya, Oganda, Borikan faso, Senegal, Etiopia, Tanzania, Borondi, Repoblikan’I Kongo, Roanda, Egypt, Maroc, Tonizia, Algeria, Mozambika, Maurice,  Nouvelle Guinée, ….

    Azia: Indonezia, Malayzia, Singapor, Thailand, Laos, Vietnam, Chine, Myanmar, Filipine, Timor, Paraguay, Rep Dominikan, Bangladesh, Cambodge, Mongolia, …

    Atsinanana: Serbia, Iran, Pakistan, Makedonia, …

    Ireo firenena tandrefana sy tavaratra dia efa ela no nilomano tanatin’izany “Démarche Qualité” izany,  ka tsy ilàna fitanisana intsony.
    Fehiny:
    Ny firenena iray no mandroso dia tsy “miracle na fahagagana”  akory, fa misy hai-tao sy toe-tsaina na Soatoavina  apetraka tsara sy ilofosan’ny sehatra rehetra, ka na iza mitondra, na inona firehana dia soatoavina iray ihany no mibaiko sy manainga ny hetsika rehetra.

    Manasa anao ary hiroso amin’ny fampahafantarana ny atao hoe KAIZEN
     

     



    Créer un site
    Créer un site