Manatitra ny arahaba ho antsika rehetra mitsidika ny pejy Kaizen ho an’ny Malagasy tsy vaky volo ! Raisinay ho adidy lehibe ny mampahafantatra ny Malagasy rehetra havana ny fisian’izany Kaizen izany na ny « démarche qualité et Amélioration continue » amin’ny fomba sy haitao japoney, na ilay antsoinay amin’ny teny tsotra hoe « Toe-tsaina sy hai-tao mampivoatra isan’andro ».
Atao amin’ny teny gasy ny fanazavana rehetra mba ho mora ny fandraisantsika azy, ary ho porofoina koa fa ny Tenin-dreny no isan’ny fitoavana voalohany mampivoatra ny firenena iray.
Fanontaniana lehibe ( Grandes questions)- Ny Malagasy « Ianao sy izaho » ve farahidiny amin’ny olona rehetra eto ambany masoandro, ka sanatria toy ny biby ka tsy afaka ny hivoatra?
- Misy tokoa ve ny Ozona (tsiny) mila vahana ka mampihenahena antsika mianakavy eto amin’ity tany zary nosy ity?
- Sa dia nitsikian’ny vintana ihany fa …i Balita tokoa no tsy nambinina?
Valiny avy hatrany (réponses instantanées)Ambentin-tenintsika ombieny ombieny ny hoe:
- Tena mila miova toe-tsaina mihitsy isika e!
- Mila miverina amin’ny maha Malagasy azy ny gasy satria very ny soatoavina e!
- Mila mahay mijery ny ataon’ny hafa koa isika fa tsy miolonolona irery eto foana e!
- Sns…
Koa manasa anao ary hanjohy ny famakiana an’ity tranonkala natokana ho fampahafantarana ny Kaizen ity izahay.