TOE-TSAINA KAIZEN

Teny roa mitambatra no mandrafitra ny hoe KAIZEN:
           KAI midika hoe : Fivoarana (mivoatra)
           ZEN: tsaratsara kokoa

 
Izany hoe , asa na hetsika na fisainana mivoatra sy mankany amin’ny tsaratsara kokoa hatrany isan’andro isan’andro. Ino no nadikanay amin’ny teny Malagasy hoe “Toe-tsaina sy hai-tao mampivoatra isan’andro”.
 
Raha tsorina dia izao no mahafehy azy; ny toe-tsaina tsara tsy mampandroso, ny hai-tao avo lenta tsy mampandroso ihany koa, fa izy roa mitambatra no herizika goavana manosika ny fampandrosoana maharitra.
 
Ny kaizen dia fototra iorenan’ny antsoina hoe “Démarche Qualité” na paipaika ampiharina mitondra fanatsarana eo amin’ny asa, ary mitaky fivoarana isan’andro na ilayantsoina koa hoe “Amélioration Continue”.
Tsy Filozofia be tsy hita lany sy misavoan-danitra akory ny Kaizen (sao diso hevitra isika), fa mifototra amin’ny:
  1. Azo tsapain-tànana (concret)
  2. Asa na dingana tsotra ho fiantombohana (simples)
  3. Tsy voatery hisy fandaniana ara-bola (peu onéreux)
  4. Ary ny rehetra voakasiky ny tranga (situation) iray no miara-mikaondoha (inclusive)
 
Ny fiaingany dia:
  1. Misosa mora (douce)
  2. Manaraka antanan-tohatra (graduelle)
  3. Ka isaka antanan-tohatra dia misy mari-drefy (measurable)
  4. Miainga amin’ny fototra efa misy (na izay eo am-pelatànana)  ka mifanohitra amin’ny fanavaozana (innovation)
Ireo teboka valo ireo kosa anefa dia mifototra amin’ny:
  • Faharesen-dahatra goavana (forte motivation)
  •  
    Ny Kaizen dia  ampiasaina amina sehatra rehetra  toy ny Sosialy, Koloraly, toekarena, indrindra fa eo amin’ ny fametraha ireo fenitra avo lenta ilaina amina Orinasa (Entreprises) toy ny:
    1. Fiovam-penitra ilaina eo amin’ny orinasa (reorientation)
    2. Fitantanana ny fanaraham-penitra (Gestion Globale de la Qualité)
    3. Fisahanana ny mpiasa (Gestion Efficace des Ressources Humaines)
    4. Toeram-piasana lavitry ny loza (Santé et Sécurité au Travail)
    5. Sns…
     
    Filamatra iainana anatin’ny Kaizen :
    « Mieux qu’hier, moins bien que demain »
    Ny androany tsaratsaran’ny Omaly foana, ary ny Rahampitso ho tsara lavitra noho ny Androany !
     
    Manasa anao hitsidika ny pejy voatokana ho an’ny Kaizen sy ny Kolotsaina Malagasy na ny  Kaizen Afindrafindrao
     
  •  



    Créer un site
    Créer un site