HAI-TAO KAIZEN

Loha-hevitra roa lehibe (anatin’ireo am-polony maro)  no hofintinina ato amin’ny tranonkala, mba ahafantaranatsika ireo teboka voalohany tsara ho fantatra momba ny Kiazen  “Toe-tsaina sy hai-tao mapivoatra isan’andro”:
 
I.FANAFOANA NY FANDANINDANIAM-POANA « MUDA » (résumé)
Miisa 7 ireo fandanindaniam-poana lehibe ka miteraka tsy fahombiazana sy fihemorana eo amin’ny asa, fiaraha-monina, firenena iray:
  1. Famokarana mihoapapana ambonin’izay ilaina
  2. Fiandrasana mihoatra ny tokony hisy : miteraka fidonanam-poana, resaka tsy misy fotony, sns…
  3. Fivezivezena mihoatra ny tokony atao:  tsy misy antony, tsy amin’ny fotoana liana azy
  4. Fikirakirana asa mihoatra ny tokony hatao: mipasoka ny efa malama
  5. Fitehirizana vokatra (produits) ateraky ny  famokarana mihoapampana
  6. Asa atao mihoatra ny tokony atao vokatry ny tsy filaminana: mitady zavatra tsy hita, sns…
  7. Asa efa natomboka nefa tsy maintsy averina indray (na ajanona mihitsy) : noho ny fahadisoana
 
Ny tsy fahaizana mifehy ireo teboka fito ireo dia miteraka avy hatrany :
  1. Tsy fahombiazana amin’ny isam-batan’olona
  2. Fahavoazana eo amin’ny orin’asa (asa atao, na tetik’asa)
  3. Fihemorana eo amin’ny toe-tsaina (fiaraha-monina)
  4. FAHANTRANA EO AMIN’NY FIRENENA IRAY
 
Ny fahantrana dia vokatra ny fitambaran’ireo fandaniam-poana (noho ny tsy fahalalana) ataon’ny isam-batan’olona mivelona amina firenena iray.
« Ny fahombiazana dia azo avy amina fampiaharana fitsipika sy rindran-damina tsotra eo amin’ny fiainana, ary ny tsy fahombiazana kosa dia fitambaran’ireo tsy fahombiazana madinika atao isan’andro » : Jim Rohn
 
II.IREO « S. DIMY na 5S » (résumé)
Fitambaran’ireo paikady mahomby entina:
  1. Manatsara ny tontolon’ny asa: toeram-piasa, olombelona mpiasa, sns…
  2. Amin’ny alalan’ny:
  3. Fampihenana ireo fandanim-potoana sy angovo tsy araka ny tokony ho izy,
  4. Fampihenana ny fitrangan’ireo loza sy fahasamponana ateraky ny asa
  5. Fanatsarana ny kalitaon’ny vokatra avy amin’ny fomba fiasa
  6. Fanatsara ny fomba fitantanana sy famokarana
 
AMIN’NY FOMBA AHOANA?
Fomba tsotra no arahina dia ireto telo ireto:
  1. Fanatsarana ny tontolon’ny asa  + Fanatsarana ny fomba fiasa > Fomba Fitantana araka ny Fenitra kalitao.
Manaraka ireo Soatoavina sy Koltsainan’ny Kalitao sy fanaraham-penitra:
  1. Culture d’excellence, leadership, culture d’écriture, Attitude positive, PDCA,…
Tsotra ny fampiaharana ny “S Dimy”, kanefa goavana sy ngeza ny fahombiazana eo ami’ny vokatra
  1. Miainga amin’izay eo am-pelatanana sy izay ananana
  2. Mizotra tsikelikely manaraka ny rivotry ny fiovana
  3. Anatin’ny fiarahan’ny rehetra mientana

 



Créer un site
Créer un site