KAIZEN AFINDRAFINDRAO

Ny làlan’ny Kaizen (la voie du Kaizen)
« Le plus grand des voyages commence toujours par un premier pas » (Lao Tseu)
Ny dia lavitra indrindra dia miantomboka foana amina dingana iray

Ka:
Tsy misy tsy vita raha atao tsikelikely (rien n’est impossible avec la philosophie des petits pas)

Ny Japoney dia mandinika lalina  an’izany ka mampihatra izany amin’ny fiainana manontolo ary :
  1. Hitan’ny Japoney fa mahomby 
  2. Noraisiny ho isan’ny Soatoavina fototra
  3. Iarahany manao: ny  firenena iray manontolo
  4. Nahatonga ny Japon amin’ny toerana misy azy ankehitriny, izany tsy noheverina fa azo tratrarina raha rotiky ny daroka baomba ny firenena
 
Ny Malagasy “izaho sy ianao” dia manao ezaka isan’andro hanatsarana ny fiainana, saingy resy tosika “izaho sy ianao” satria tsy nisy nanoro sy nampianatra ny tokony atao.

Ankehitrinyary  dia hahazo fahombiazana avy folo heny ary mihoatra  “izaho sy ianao” satria  ataontsika  amin’ny  saina vonona sy amin’ny fomba mahomby kokoa ny  ezaka izay ataontsikasatria efa mahafantatra ny atao hoe Kaizen.
 
Kolotsaina mampivoatra
Tsy mifanalavitra amintsika ny kolotsaina japoney amin’ny maha samy tatsinanana antsika, fa saingy ilay antsika efa rotika sy very ny ankamaroany fa ny azy mbola voatazona sy ifotorany hatramin’izao. Isan’ireo kolotsaina ireo ny dihin-drazana Malagasy “Afindrafindrao” izay mifono tanteraka ny  antsoina hoe “philosophie des petits pas”:
  1. mandroso miadana
  2. mirindra sy mifampitatana
  3. mahatonga lavitra,
  4. anatin’ny fifaliana sy ny firaisan-kina tanteraka.
Ity ary ilay "KAIZEN AFINDRAFINDRAO"

 



Créer un site
Créer un site