Manatitra ny arahaba ho antsika rehetra mitsidika ny pejy  Kaizen  ho an’ny Malagasy tsy vaky volo ! 


Raisinay ho adidy lehibe ny mampahafantatra ny Malagasy rehetra havana ny fisian’izany Kaizen izany  na ny « démarche qualité et Amélioration continue » amin’ny fomba sy haitao japoney, na ilay antsoinay amin’ny teny tsotra hoe « Toe-tsaina sy hai-tao mampivoatra isan’andro ».


Atao amin’ny teny gasy ny fanazavana rehetra mba ho mora ny fandraisantsika azy, ary ho porofoina koa fa ny Tenin-dreny no isan’ny fitoavana voalohany mampivoatra ny firenena iray.

Fanontaniana lehibe ( Grandes questions)
  1. Ny Malagasy « Ianao sy izaho »  ve farahidiny amin’ny olona rehetra eto ambany masoandro, ka sanatria toy ny biby ka tsy afaka ny hivoatra?
  2. Misy tokoa ve ny Ozona (tsiny) mila vahana ka mampihenahena antsika mianakavy eto amin’ity tany zary nosy ity?
  3. Sa dia nitsikian’ny vintana ihany fa …i Balita tokoa no tsy nambinina?
Valiny avy hatrany (réponses instantanées)
Ambentin-tenintsika ombieny ombieny ny hoe:
  1. Tena mila miova toe-tsaina mihitsy isika e!
  2. Mila miverina amin’ny maha Malagasy azy ny gasy satria very ny soatoavina e!
  3. Mila mahay mijery ny ataon’ny hafa koa isika fa tsy miolonolona irery eto foana e!
  4. Sns…
Koa manasa anao ary hanjohy ny famakiana an’ity tranonkala natokana ho fampahafantarana ny Kaizen ity izahay.

 



Créer un site
Créer un site